Voalohan-teniko dia fisaorana. Fisaorana lehibe no atolotro anareo mpandalina ny teny malagasy eto amin’ny sekoly ENS satria efa ela tokoa aho no naniry ny hisian’izao fihaonana sy fananganana ivon-toerana natokana hikirakirana sy handalinana ny teny izao ety amin’ny Oniversite. Faly tokoa aho ankehitriny fa tojo ny faniriana efa hatry ny ela ka dia ambarako eto ny fankatoavan’ny Akademia Malagasy an’ity Ivontoeram-pikarohana FFSF EICD ity, ary indrindra ny fahavononanay hiara-miasa aminareo eo amin’ny lafiny famoahana ireo voambolam-paritra malagasy sy ireo voambolam-bao vokatry ny fikarohana natao. Koa ny amaranako azy dia ny hoe mahereza, mahavità be ary mirary anareo mba hahavita be eo amin’ny fiarovana ity teny malagasintsika ity. Misaotra tompoko.

Ramatoa RANDRIAMAMONJY Esther
Tale Jeneralin’ny Foibe momba ny Teny an’ny Akademia Malagasy

 

 

Andriamatoa 

Vonjy RASENDRAHASINA

Talen’ny Ecole Normale Supérieure d'Antananarivo
Nanomboka Jiona 2022 

Fifaliana lehibe ho ahy ny mampahafantatra ny  fankatoavana ny fijoroan’ity Ivontoeram-pikarohana FFSF EICD ity araka ny fivorian’ny Filankevitry ny Sekoly teto amin’ny ENS, izay no tanterahinany 17 novambra 2017.
Tanjona lehibe kendrena amin’izany ny hampiroboroboana an’ity teny Malagasy iaraha-manana ity. Teny izay fototra maneho ny maha izy azy ny tsirairay nefa voatohintohina sy mila ho difotra manoloana ny fanatontoloana izay fantatsika tsara ny akony eo amin’ny kolontsaina maneran-tany.
Koa dia manohana sy mampahery antsika rehetra indrindra ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny ao amin’ny Ivontoerana mba hahavita be amin’ity asa ity. Asa lehibe satria entina mampiroborobo sy mampandroso ny asa fanabeazana izay imasoantsika indrindra koa natao hampandrosoana ny firenentsika. Koa dia alao hery àry rympanabe sy mpiara-miasa rehetra ary indrindra ny mpikambana rehetra eto amin’ny Ivon-toerana, fa tsy misy tsy vitan’ny fitozoana sy firaisankina. Dia mankasitraka sy mankatelina antsika rehetra.

Ramatoa  RAMANAMBELINA Henriette
Talen’ny Ecole Normale Supérieure d'Antananarivo
Febroary 2016 - jiona 2022 

Ny voalohan-teninay dia ny fisaorana sy fankasitrahana ireo rehetra nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka, ka nahatongavana amin’izao toerana misy ny Ivontoeram-pikarohana FFSF EICD izao. Maro ny nikasa ary betsaka ny te hanatontosa fikarohana eo amin’ny lafiny teny sy fanabeazana, saingy mety ho betsaka koa ny olana tsy maintsy atrehina amin’ny fananganana Ivontoerana toy itony. Nefa kosa, ny fifanomezan-tananasy ny fahafoizan-tena nananan’ny tsirairay, na ny avy eto an-toerana na ny avy any ivelany, no nahefana izay vita rehetra izay.
Mahafaly anay ankehitriny ny manolotra ny tranonkalan’ny Ivontoerana, izay atokana mba hanehoana ireo voka-pikarohana eo amin’ny taranja samihafa mifandray sy mampiasa ny teny malagasy. Tsy izany ihany fa eto no ihaonantsika rehetra izay misehatra eo amin’ny lafiny fanabeazana sy fampandrosoana. Eto no ahafahantsika mifandray, mampifandray ary mampifankahazo ny teny sy fiteny sy ireo kolontsaina marobe mifamoivoy eto amin’ny Nosintsika ary maneran-tany mihitsy aza.
Tsy hisy ny fandrosoana sy ny fampandrosoana raha toa tsy misy ny finiavana avy amin’ny tsirairay, koa antenaina fa samy hirotsaka amin’ny fanatevenana an’izay vita rehetra hatramin’izay isika, mba hahatrarana ny tanjona iraisana, dia ny hahatonga ny teny sy ny kolontsaina Malagasy mba hanana ny lanjany mitovy amin’ny teny sy ny kolontsaina hafa rehetra. Ny asa tanterahina eto anivon’ity foibem-pikarohana ity rahateo dia atao mba hampahomby ny FANABEAZANA eto Madagasikara izay iaraha-mahalala ny toerana misy azy ankehitriny. Heverina fa manana andraikitra ny mpanabe sy ny mpandinika ny tenin-dreny, teny ibeazana, eo amin’ny fikarohana samihafa momba ny Fanabeazana, Fifankahazoana, Serasera, Fampandrosoana.
Koa dia manasa antsika hianoka ireo vokatra azo sy hifanakalo hevitra ary hitondra ny anjarabiriky eo amin’ny fanamafisana orina ny fikarohana tanterahina eto amin’ny Ivon-toerana FFSF EICD. Misaotra tompoko

Ramatoa RasoloarivonyTheis Lala Voahangimampionona

Talen’ny Ivontoerana FFSF EICD