Ny voalohan-teninay dia ny fisaorana sy fankasitrahana ireo rehetra nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka, ka nahatongavana amin’izao toerana misy ny Ivontoeram-pikarohana FFSF EICD izao. Maro ny nikasa ary betsaka ny te hanatontosa fikarohana eo amin’ny lafiny teny sy fanabeazana, saingy mety ho betsaka koa ny olana tsy maintsy atrehina amin’ny fananganana Ivontoerana toy itony. Nefa kosa, ny fifanomezan-tananasy ny fahafoizan-tena nananan’ny tsirairay, na ny avy eto an-toerana na ny avy any ivelany, no nahefana izay vita rehetra izay.
Mahafaly anay ankehitriny ny manolotra ny tranonkalan’ny Ivontoerana, izay atokana mba hanehoana ireo voka-pikarohana eo amin’ny taranja samihafa mifandray sy mampiasa ny teny malagasy. Tsy izany ihany fa eto no ihaonantsika rehetra izay misehatra eo amin’ny lafiny fanabeazana sy fampandrosoana. Eto no ahafahantsika mifandray, mampifandray ary mampifankahazo ny teny sy fiteny sy ireo kolontsaina marobe mifamoivoy eto amin’ny Nosintsika ary maneran-tany mihitsy aza.
Tsy hisy ny fandrosoana sy ny fampandrosoana raha toa tsy misy ny finiavana avy amin’ny tsirairay, koa antenaina fa samy hirotsaka amin’ny fanatevenana an’izay vita rehetra hatramin’izay isika, mba hahatrarana ny tanjona iraisana, dia ny hahatonga ny teny sy ny kolontsaina Malagasy mba hanana ny lanjany mitovy amin’ny teny sy ny kolontsaina hafa rehetra. Ny asa tanterahina eto anivon’ity foibem-pikarohana ity rahateo dia atao mba hampahomby ny FANABEAZANA eto Madagasikara izay iaraha-mahalala ny toerana misy azy ankehitriny. Heverina fa manana andraikitra ny mpanabe sy ny mpandinika ny tenin-dreny, teny ibeazana, eo amin’ny fikarohana samihafa momba ny Fanabeazana, Fifankahazoana, Serasera, Fampandrosoana.
Koa dia manasa antsika hianoka ireo vokatra azo sy hifanakalo hevitra ary hitondra ny anjarabiriky eo amin’ny fanamafisana orina ny fikarohana tanterahina eto amin’ny Ivon-toerana FFSF EICD. Misaotra tompoko |
![](Image/Tale_Labo_Theis.jpg)
Ramatoa RasoloarivonyTheis Lala Voahangimampionona
Talen’ny Ivontoerana FFSF EICD
|